FFPM 35
35 - Isaoranay, ry Ray
1 Isaoranay, ry Ray,
Ny fitiavanao ;
Fa indro azonay
:,: Ny taombaovao :,:
Ry Tompo ô, ambeno,
Izao fifaliana izao
Ka aoka re ho feno
Ny hasoavanao.

2 Ny taona vao lasa
Nipaoka olon-tsoa
Ireny mba nikasa
:,: Mba ho tafita koa :,:
Ny fitondràna anefa
Afeninao, ry Ray !
Ka nony miantefa
Vao sina izahay.

3 Fanahy ô, avia
Hitari-dàlana e !
Mandroso izao ny dia
:,: Hamaky rano be :,:
Ny herinao tsy lefy
No tanjaky ny fo
Ka ampy mba ho fefy,
Raha avy ny manjo.

4 Itoero, Jeso tia
Ny sambonay re !
Na tony na maria,
:,: ‘Ty ranomasim-be :,:
Raha Hianao no hita
Tsy fefika izahay
Ambara-piampita
Arý an-tratran-dRay.