36 - Moa ho haiko tantaraina
1 Moa ho haiko tantaraina
Ny hasoavanao ?
Mifamatra tamin’aina
Ny fitiavanao.
Ny vahoaka sesehena.
Izay nahazo famonjena
No hidera Ilay Mpamonjy soa.
Jeso no derao, Jeso no derao :
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.
2 Fiadanana nafoin'i
Jeso Tomponay
Fa efa tonga ny fotoana
Sitraky ny Ray
Olom-bery nozahany
Ny fatorany vahany
Hajambana koa nalany tsy ho ao
Jeso no derao, Jeso no derao :
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.
3 Hoderaina lalandava
Ny Anaranao,
Fa ny aizina nisava
Eo imasonao :
Na tsy tian’ny sasany aza
Ny Anaranao malaza,
Izaho kosa hankalaza Azy re.
Jeso no derao, Jeso no derao :
Izay nataony ambarao :
Jeso no derao.