FFPM 37
37 - Mihainoa, ry Ziona ô !
1 Mihainoa, ry Ziona ô !
Avy ny Mpanjakanao !
Re hatrany lavitra
Fa hobin’ny olona.
Mifalia hianao
Indro Izy, ka tsenao !

2 Indro Ilay miakatra
Mila tsy ho fantatra
Ho Mpanjaka marina,
Fa mietry lalina ;
Izy no Mpanjakanao,
Ry Ziona ka derao !

3 Mandrosoa, Tompo ô !
Mba hanjaka amiko !
Faly re ny olonao
Raha tonga Hianao,
O, hosana, Tomponay !
Ry Ilay nandrasanay !