FFPM 39
39 - Faingàna, ry Mpanjaka !
1 Faingàna, ry Mpanjaka !
Handray ny lovanao ;
Faingàna re mba haka
Ny tany ho Anao ;
Avia hampifaly
Ny malahelo fo ;
Afaho ny mijaly
Sy azon’ny manjo.

2 Avia, fa misento
Atý ny olonao ;
Ny fanjakana ento,
Fa Tompo Hianao.
Tsy hisy hitomany
Eo anatrehanao.
Hiadana ny tany
Izay alehanao.

3 Ny tendrombohitra avo,
Ny lohasaha koa,
Ho tonga ravoravo
Sy tretrika avokoa ;
Ny be tsy haka an-kery,
Ny kely afa-po ;
Tsy hisy izay ho very
Tsy hisy izay hanjo.

4 Mpanjaka sy Mpiaro
Mahery Hianao ;
Ny firenena maro
Hitoky Aminao ;
Ho avy lalandava
Izao rehetra izao
Hitondra harem-bevava
Ho eo an-tongotrao.

5 Faingàna, ry Mpamonjy,
Ry Tompo be fitia ,
Ny olonao tra-bonjy
Miantso hoe : Avia !
Anao ny fiderana,
Anao ny laza be,
Anao ny fanjakana
Sy arahaba e !