40 - Tonga ny fahazavan’i Ziona
1 Tonga ny fahazavan’i Ziona,
Ravo ny tany izay maizina teo
Tapitra koa ny andro misaona,
Ary ny tany miadana izao.
2 Tonga ny fahazavan’i Ziona,
Efa nandrasana izay ela izay,
Izao dia tapitra ny fanompoana,
Ka ampodina ny babo indray.
3 He misy rano izay miboiboika
Any an-efitra maina sy lao,
Feno ny hobiny ny lohasaha,
Manakoako ny hira vaovao.
4 Indro ny tany sy nosy rehetra
Dia mankalaza ny Tompo izao,
Ny fanjakany dia tsy manam-petra,
Miravoravo ny tany vaovao.