41 - Indro Jeso mandondona
1 Indro Jeso mandondona
Eo am-baravaram-po,
Injao ny feony mifona
Mba haneho indrafo,
Aoka izy hovohàna,
Fa mitondra famelàna
Hampahery sy hitana
Ny fanahinao sy fo
2 Efa novidiny lafo
Mba ho afaka hianao ;
Izy hiara-misakafo
Sy hifaly aminao ;
Fahasoavana zaraina,
Lova ampanantenaina,
Iray ny vatsy, iray ny aina
‘Ndrey, ny hasambaranao !