42 - Vohay ny varavaram-po !
1 Vohay ny varavaram-po !
Ilay Mpanjaka manan-jo,
Mpamonjy izao tontolo izao
No tonga hanasoa anao.
2 Ny teny fanasana atao
Mitondra tena aim-baovao,
Ny fahoriana manjo
Afahan’ny famindrampo.
3 Mba mihainoa, maneke,
Fa sambatra izay mandre,
Ka anjakan’ny Tompo to,
Izay feno antra, mora fo.
4 Ny andron’aina mitatao
No mahafaly fo izao,
Mamiratra sy manome
Fanantenana lehibe.
5 Ny vavahady mba vohay !
Finaritra izay mandray,
Fa tonga ilay Mpanjaka soa
Hanao ny asany tokoa.
6 Sokafany ny fo izao,
Ry Jeso, mba hidiranao,
Ny fahasoavano anie
Hananay harena be.
7 Atolotray, ry Tompo ô !
Mba hahatamana Anao ny fo,
Ny famonjena vitanao
No iankinanay izao.