FFPM 43
43 - Manenoa, ry farara !
1 Manenoa, ry farara !
Horohoroy, ry tany !
Ka miantsoa ny maty,
Fa akaiky ny Mpitsara;
:,: Indro ! Kristy :,:
Avy amin-drahona !

2 Ny feony no hampifoha
Ny any am-pasana ;
Ny teniny no hamory
Ny velona rehetra ;
:,: Samy handray :,:
Ny valin’ny nataony.

3 Ny tsy mino hilazany :
“Mialà voaozona,
Mandehana, mitoera
Ao amin’ny maizina”
:,: Ry mpanota :,:
Any ny anjaranao.

4 Fa ny mino hilazany :
“Avia, notahina,
Mandrosoa, mankanesa
Ho amin’ny mazava”
:,: Io, ry mpino :,:
Indro ! ny anjaranao.