FFPM 44
44 - Indro Jeso, mba vohay
1 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Avy ho Sakaizanao ;
Mba vohay !
Ilay Malala fahizay,
Sady sitraky ny Ray
Tonga ho anao indray
Ka vohay !

2 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Tompo tia ka mba hajao ;
Mba vohay !
Honina aminao etý,
Ho sakaiza hatrerý
Ho anao mandrakizay
Ka vohay !

3 Indro Jeso, mba vohay ;
Mba vohay !
Mbola tia ka mba vohay ;
Mba vohay !
Tena tia ka tsy mandao,
Raha ela sao dia lao ;
Moa ho lavinao izao
Ka vohay !

4 Eo am-baravaranao ;
Mba vohay !
Tsy manoa an-ditra izao;
Mba vohay !
He! mandona mora re,
Na dia Tompo lehibe ;
Efa niandry ela be
Ka vohay !