45 - He, tonga ho antsika
1 He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo,
Mpamonjy, Havantsika,
Ilay mamindra fo ;
Andeha mba hifaly
Isika, ry zareo !
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo
2 Hajao ny Tompontsika,
Mpanjaka lehibe,
Andriamanitsika,
Mpanala rofy be ;
Avia mba hidera,
Ry mino tsara fo !
Avia manatera
Ny saotra ao am-po.
3 Ry Tompo Zanahary !
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay ;
Ny andro famonjena
No andro sitrakay ;
Fanahy manantena
No ifalianay.
4 Ry Tomponay ! mandraisa
Ny haja entinay ;
Tsy volamena anefa,
Fa saotra aterinay ;
Ry Jeso Tompo soa !
Isaoranay Hianao,
Fa lehibe tokoa
Ny fitiavanao.