46 - O, ry Mpanefa ny toky rehetra
1 O, ry Mpanefa ny toky rehetra,
Moa ho ela vao tonga ny fetra ?
Tena andrasanay ny fihavianao ;
:,: Aza ela, re :,:
2 He ! izahay fa vahiny mandala,
Indro manenjika ny fahavalo ;
Koa henoy re ny senton’ny olonao ;
:,: Aza ela, re :,:
3 He ! ny voavotrao dia miandry,
Na izahay na ireo nodimandry ;
Tompo, Tsinjovy ny fasan’ny olonao ;
:,: Aza ela, re :,:
4 Ary ny zavatra eto an-tany
Samy miara-misento ihany,
Ka manantena ny mba hihavianao ;
:,: Aza ela, re :,:
5 Mbola ho ela ve Ilay antenaina ?
Tsia, fa akaiky izao ny maraina ;
Koa andrandrao sy antsoy ny Tompo hoe :
:,: Aza ela, re :,:
6 «Tsy mbola ho ela, fa faingana Aho,
Ary hanafaka ny mitalaho».
« Eny, avia, faingàna, ry Tompo ô ! »
:,: Aza ela, re :,: