47 - Ry Ziona, mihainoa !
1 Ry Ziona, mihainoa !
Injay feo mafy mampifoha
Ny ampakarina izao :
Mbola alim-be ihany,
Fa ny fotoana no lany,
Ka avy ny malalanao;
Antsoiny hianao
Alao ny jironao
Ka velomy ;
Dia miaingà hivoaka,
Hitsena ny mpampakatra !
2 He, Ziona ravoravo,
Fa reny izao ny antso avo
Ka velona ny hobiny :
Indro, avy Kristy Tompo,
Hanafaka anay mpanompo,
Halainy hampakariny.
He, faly re ny fo !
Avia Tompo ô !
O, hosana !
Mihaingo izao hitsena Anao,
Ry Kristy, ny malalanao !
3 Hira, hoby, fiderana
Asandratray mba hitsenana
Anao, Jesosy Tompo ô !
Tsy mba misy mitomany,
Fa mirana izay mankany
Am-pampakaram-badinao ;
Mahafinaritra ny hiran-danitra
Haleloia !
Ilaozanay ny trano lay,
Miakatra ny dianay.