48 - Hevero, ry mpanota ô
1 Hevero, ry mpanota ô,
Ny andro fitsarana !
Hiverina ny Tomponao
Hamaly fahotana ;
Ny lanitra hahorona,
Ny tany dia hodorana,
Fa avy Ilay Mahery.
2 Trompetra no ho levona
Hotsofin’ny anjely ;
Hisokatra ny fasana,
Hivory izay niely ;
Ny maty dia hatsangana,
Isika koa hakarina
Hanatrika ny Tompo.
3 Ny boky hovelarina,
Fa io no manambara
Ny asa izay miafina,
Handraisana anjara ;
Ka aza mba mihevitra
Hahazo mihodivitra
Fa fantatry ny Tompo.
4 Ry Tompo ô ! hazoninay
Ny tenim-panekena,
Ka mba arovy izahay
Hitana famonjena ;
Ny ranao sy Fanahinao
No tokinay raha avy izao
Ny andro fitsarana.