FFPM 49
49 - Mba jereo ny Tompontsika
1 Mba jereo ny Tompontsika
Avy ao an-danitra,
Indro, avy amin-kery
Ao amin’ny rahona
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny heriny.

2 Izay rehetra fahavalo
Efa resiny tokoa ;
Mifalia ry anjely !
Mihobia, ry olona !
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny lazany.

3 Fony mbola teto Izy
Satro-tsilo nentiny ;
Izao ny satro-bolamena
Mendrika ny lohany
:,: Haleloia :,:
Ambarao ny derany.

4 Voaeso mafy Izy ,
Be ny fahoriany ;
Fa izao, asandratara Izy,
Ambarao ny hajany !
:,: Haleloia :,:
He, ny voninahiny !