50 - Mifohaza, ry matory
1 Mifohaza, ry matory ,
Fa re ny feon’ny Mpamory
Miantso izao tontolo izao !
Miangà, ry vovontany,
Fa he ! Jesosy avy any
An-danitra hitsara anao.
Ry mbola velona !
Ry ao am-pasana !
Mitsangàna !
Miandrandra ny lanitra,
Fa ny atý dia tapitra.
2 Kristy Tompo avy any,
Ka dia mangovitra ny tany
Fa be ny voninahiny.
Na ny ratsy na ny tsara
Hanatrika ilay Mpitsara,
Miandry ny anjarany
Zarainy roa izao
Ny tafavory ao ;
Ka ny tsara
Horaisiny ao Aminy,
Ny ratsy dia ariany.
3 Jeso ô ! izahay mifaly,
Na dia be ny mampijaly
Sy mahaketraka atý ;
Hianao mahay manova
Ny fahorianay ho lova
Mahafinaritra erý.
Ry fasa-maizina ô !
Ry fahavaloko !
Aiza moa ny herinao,
ny sabatrao ?
Jesosy no Mpandresy izao.