Antema 8

Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko

Mandrakizay ny Anaranao no hoderaiko eram-po, eran-tsaina. Hianao, ry Jehovah! no hoderaiko eram-po, eran-tsaina; fa tsara sady miantra Jehovah, mahatsindry fo ka tsy maika. Izao asany rehetra izao dia samy tiony sy amindrany fo. Ny Anarany lehibe hoderaiko sy hankalazaiko.