An'i Kristy ny fanjakana
An'i Kristy ny fanjakana. Azy izao na ny hery, na ny fahefana, na ny fandresena.
Azy koa na ny voninahitra, na ny fiandriananana, na ny laza Mpanjaka mandrakizay Kristy Tomponay.
Azy irery ny seza fiandrianana sy ny satro-boninahitra. Azy izao sy mandrakizay.