O, lanitra! O, tany masina! Raha tapitra ny asanay, dia ravo aminao. Ny mandanao no hitanay, sy vavahady soa; ny lalam-bolamena koa no hodiavinay. Fonena-mahasambatra, tsy misy heloka. Ny làlana mahazo ao no mba hizorako. O, lanitra! O, tany masina! Nahoana ny ho faty re no hatahorako? Ny lanitra honenako mandrakizay doria. O, lanitra! fonena-masina! O, lanitra! ny dianay havitrika ho tonga aminao. O, lanitra! ho tonga aminao.