Saotra, dera, an'Ilay Mpanjaka Tompo Tsara, dia Andriamanitra. Izy mitahy ny taona ka finaritra re ny vahoaka, fa Izy miaro ny loza tsy hitranga matetika. Ny ranonorana tonga hanatsara ny zavatra maro; izay fitahiana rehetra dia ateriny avokoa. MiderĂ , saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao eo anatrehan'ny vahoaka maro. MiderĂ , saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao re, Izy no derao eo afovoan'ny fiangonana.