1. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny taberna-kelinao?
Iza no honina an-tendrombohitrao marina?
Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao 'zay mahitsy
Sady misaintsaina ny marina ny fony
2. Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
Sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
Ary tsy manao izay hahafa-baraka ny anarany,
Tsy manaja ny ratsy fanahy.
3. Fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah,
Tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenant' aza.
Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hana-meloka ny marina,
Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozo-hozo mandraki-zay.
4. Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay.
Amen.