Tsanta 2

Jehovah no Mpiandry ahy (Salamo 23)

1. Jehovah no Mpiandry ahy?
Tsy hana-java-mahory aho.

2. Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
Mitondra ahy eo amoron'ny rano fialantsasatra Izy

3. Mamelombelona ny fanahiko Izy;
Mitarika ahy amin'ny làlan'ny fahamarinana no ho ny anarany izy.

4. Eny, nadia mandeha mamaky lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hataho-tra ny loza aho.

5. Fa Hianao no amiko,
Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafatahotra ahy.

6. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko Hianao;
Manosotra diloilo ny lohako Hianao;

7. Ny kapoakako feno dia feno.
Eny, tokoa fahasoavana sy famindrampo

8. No hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako,
Dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah androlava aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina; Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay.
Amen.