1. Mihobia ho an'i Jehovah,
Ry tany rehetra.
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana,
Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
2. Aoka ho fantatrareo
Fa Jehovah no Andriamanitra,
Izy no nanan antsika, ary Azy isika,
Dia olony sy ondry fiandriny
3. Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana.
Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana,
Misaora Azy
Mankalazà ny anarany.
4. Fatsara jehovah;
Mandrakizay'ny famindrampony
Ary ny mihatra amin'ny taranaka faramandimby
Ny fahamarina-ny.
Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay.
Amen.