Tsanta 8

Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy (Salamo 136:1-9 , 24-26)

1. Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony

2. Miderà ny Tompon'ny tompo;
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

3. Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano,
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

4. Izay nanao ireo fanazavana lehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

5. Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

6. Izay manome hanina ny nofo rehetra
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Miderà an'Andriamanitry ny lanitra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka, Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie Andriamanitra mandraki-zay.
Amen.